Fikambanana Eco Tanana - Trano fandraisam-bahiny Soamahatony

      Nanomboka tamin’ny 2008 i Soamahatony dia nirotsaka hiara-miasa ao anatin’ny "réseau interprofessionnel Eco Tanana" vao niforona. Ny foto-kevitra iombonan’ireo mpiray dia ao anatin’io karazana "tranonkala" io dia ny hampandroso "maharitra" ary "am-pitovian-tombontsoa" ireo karazana asa izay mifarimbona ao, ary koa hampitombo ny lanjan’ny faritra Analamanga sy Antananarivo eo amin’ny lafiny fizahantany manaja ny tontolo iainana. Inona no vontoatin’izany ?

       Ny "Groupement interprofessionnel d’Entreprises" dia fitambarana orinasa voasoratra ara-panjakana izay ahitana mpanao asa tanana, mpandray vahiny ao amin’ny tranom-pianakaviana ary mpampizaha tany (guides touristiques). Mifanaiky izy ireo fa hanao izay hampiroborobo ny fizahan-tany mitondra "fandrosoana maharitra". Ny foto-kevitra ijoroany dia manosika ny tsirairay ao :

  •    hanao izay hampandroso ny fiarahamonina eo an-toerana sy manodidina
  •    hanome vahana ny asa amana hetsika hiarovana ny tontolo iainana
  •    hanome lanja ny zavatra hita ao amin’ny tanànan’Antananarivo
  •    hampitombo ihany koa ny anjara toeran’ny mpikambana tsirairay ao anatin’ny tsenan’ny fizahan-tany ary hampandroso sy hanatsara hatrany ny fahaiza-manao ary ny karazan-javatra atolotra ny mpanjifa
  •    ary miombona antoka amin’izany ny rehetra.

          Ireo sanda iombonana :

   Fitsipi-pitondrantena mifototra amin’ny :

  • Fihaonana sy fifanakalozana ary fifanohanana
    • eo amin’ny mpikambana
    • ary eo amin’ny mpiara-monina eo an-toerana
  • Fahamarinana sy fanajana ny tombontsoan’ny mpikambana tsirairay
  • Fiombonan-kevitra eo amin’ny fanomezan-danja ny maha izy azy manokana ny kolon-tsainan’Antananarivo

       Ny tanjona iombonana :

  • Manatsara ny fomba fiasa mba hanara-penitra
  • Manandratra ny kolontsaina malagasy sy ny fiainam-pianakaviana
  • Manamafy orina ny lazan’ny tranonkala
  • Miara-miasa amin’ny fiarahamonina eo an-toerana
  • Manitatra ny karazana asa atolotry ny mpikambana

       Ny asa ifantohana manokana :

  • Fikarohana sy fandalinana ny momba ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny ary ny kolon-tsaina eto Antananarivo manokana
  • Fampahafantarana ary fitaizana ny mponina momba ny fampandrosoana maharitra
  • Fitiliana ny filana mikasika ny fiofanana
  • Fampahafantarana ary fivarotana ny fahaiza-manao sy ny asa vokarin’ny mpiara-miasa ao amin’ny "tranonkala"
  • Fametrapetrahana izay paika maharitra hahazoana mamoron-java-baovao hatrany
  • Fikarakarana hetsika ara-kolontsaina

       Izany rehetra izany no nanentana an’i Soamahatony hamaritra sy hanitatra ireo lalan-kely ahazoana mandinika ny zava-maniry eo an-toerana, hanamboatra fitaovam-panangonana ranonorana sy hametraka fitaovam-pamanana rano mampiasa ny tara-masoandro sy ny herinaratra eo amin’ny villa Oliver. Efa an-taona maro no mampiasa "jiro mitsitsy" ny ao Soamahatony.

       Mitandrina hatrany ny fambolena miaro ny tontolo iainana i Soamahatony, amin’ny fifantenana ny fako izay azo ahodina ho zezika hampihenana araka izay azo atao ireo zezika sy fanafody simika, mba hisian’ny fiarovana maharitra ny zava-boahary, araka ny fifanekena iombonana.

       Mikasika ny sôsialy sy ny fitsinjarana tombontsoa amin’ny rehetra indray dia misy ny andron’ny natiora eny amin’ny sekoly izay iaraha-mikarakara amin’ny olom-boafidy isan’ambaratonga (Fokontany, Firaisana Ambohibao). Hetsika mifandraika amin’ny tombon-tsoa iombonana no atao amin’izany, toy ny fiarovana ny tanetin’Ankadivory izay misy an’i Soamahatony, na koa ny fanentanana eo amin’ny fanangonana ny fako. Mazava ho azy fa eo amin’ny tsenan’Ambohijanahary sy eny amin’ireo mpamboly manodidina no ividianana ny zavatra ilaina hanaovana ny sakafo, ankoatra izay efa vokarina eo Soamahatony rahateo.

      Azo ambara fa tena mikatsaka ny fizahan-tany manaja ny tontolo iainana ity orinasa madinika ity, ary manamafy izany ny fiaraha-mamaritra ny toerana hotsidihana amin’ireo mpampizaha tany miara-miasa ao anatin’ny tranonkala.

Atelier