|
|
Fitsangatsanganana
Tena any ambanivohitr'Imerina, 20 minitra an'Antananarivo, 10 minitra avy eo amin'ny seranam- piaramanidina iraisam-pirenenan'Ivato.
Ho hitanao ao :
- Efitrano fandraisam-bahiny dimy malalaka tsara, izay mahatazana lavitra tokoa ary hodidin'ny tendrombohitra maron'Imerina : ny telo misy toerana hisasana ary iraisana ny trano fidiovana ary fivoahana any ambony rihina sy ambany rihina ; ny roa kosa misy ny rehetra ao anatiny, ary misy rihana avokoa
- Efitrano malalaka hihiaonana misy hamindroana, boky sy kapila mirakitra hira mikasika an'i Madagasikara.
- Lavarangana lehibe
- Fitsangatsanganana an-tongotra na am-bisikilety eny amin'ny manodidina .
- Sakafo iarahana amin'ny fianakaviana ny maraina sy ny hariva.
Ny fifamoivoizana :
- Mankany Antananarivo mandritra ny tontolo andro, na tapakandro, araka izay angatahinao
- Fitsangatsanganana etý amin'ny manodidina na any amin'ny faritra na faritany hafa araka izay irinao.
Soava dia e ! Mandra-pihaona vetivety